Etats-Unis : Nindaosin’ny fahafatesana i Harry Reid
Namoy ny ainy teo amin’ny faha 82 taonany ny 28 desambra teo i Harry Reid. Lehiben’ny Antenimieran-doholona demokraty teo aloha izy ary nitany anjara asa maro tao amin’izany ny taona 2007 hatramin’ny taona 2015.Homamiadan’ny sarakaty no nahafaty azy, niady tamin’izany nandritra efa-taona izy. Olona nanana anjara toerana lehibe nandritra ny fiadidian’i George W. Bush sy ny fotoam-piasana roa an’i Barack Obama izy. Nanampy an’io filoha io tamin’ny fanavaozana ny fitsaboana Obamacare, izay tetikasan’ny mpanao lalàna nanan-danja indrindra nandritra ny valo taona niasany tao amin’ny lapam-panjakana.
