Dépêches

Ambohimiandra Andoharanofotsy:

30 Desambra, 09h45. Jiolahy telo no maty voatifitry ny zandary ary dimy tafatsoaka Mpanjinjara iray teny Ambohimiandra fokontany Ambohimanala kaominina Andoharanofotsy no notafihan’ny dahalo ny alin’ny 28 desambra teo tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Entana ilaina andavanandro, vilany sy ny kojakoja an-dakozia, ny fanaka toy ny « amplificateur »,  » bafle « ,  » Tv écran plat  » no nalain’izy ary vola 40 000 ariary. Nampandre ny zandary ireo tompon’ny tsena voatafika vao lasa kelikely ireo andian-dahalo ary fotoana fohy taorin’izay dia tonga izy ireo ka nanao ny fanarahan-dia. Tratra teo amin’ny « Digue » Bevalala ireo andian-jiolahy nifampitifitra izy ireo, jiolahy telo no maty tsy tra-drano tamin’izany ary dimy no tafaporitsaka, ireo entana rehetra kosa tavela.

Laisser un commentaire