Minisitry ny Mponina : Tontosa fanamafisana ny fiahiana ara-tsosialin’ny ankizy sy ireo olona manana fahasembanana
18 May, 13h00. Nitafatafa tamin’ireo Masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara sy ireo mpiantsehatra amin’ny Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny ankizy ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia notronon’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Randriamandrato Richard omaly. Nanamafisina tamin’izany ny fiahiana ireo ankizy izay hoavin’ny firenena. Fotoana nanaovana ny haitaky entina mampitombo sy manamari-pototra ny fiahiana ny sosialin’ny ankizy eto Madagasikara ihany koa izany. Tafiditra ao anatin’izany ny Tetikasa Zara Mira.
