Dépêche du 15h00 04 Août-Lozam-pifamoivoizana: Taxi-be 119 iray no niharan-doza teo Abohijatovo
Omaly hariva tokony ho tamin’ny 06ora sasany hariva no nisy fiara mpitatitra amin’ny zotra 119 no niharan-doza teo Ambohijatovo. Tapaka hisatra ity fiara ity ary nivadibadika ambony ambany. Vokatr’io loza io dia potika tanteraka ilay fiara, maro ireo mpandeha naratra ary nentina namonjy hopitaly.
