Dépêches

Fametrahana ny loholon’i Madagasikara vaovao

26 Oktobra 10h00. Hotanterahana anio 26 oktobra ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny loholon’i Madagasikara vaovao, Erick Lambert Besoa, eo anivon’ny Antenimieran-doholona. Ny filohan’ny Repoblika no nanendry azy izay hisolo toerana an’i Herilaza Imbiki izay efa lasa Minisitry ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Hotanterahana aorian’izay ny fifidianana ny filoha faharoa izay hisolontena ny faritra Avaratr’i Madagasikara.

Laisser un commentaire