Japon : Fanolorana ny mari-pankasitrahana ho mariky ny prix Nobel
Nandritra ny Nobel 2021, izay notanterahina ny voalohan’ny volana oktobra teo, dia siantifika iray avy any Japon no nitondra ny amboara tao amin’ny taranja fizika. Syukuro Manabe no aranat’ity tovolahy izay nahazo mari-pankasitrahana noho ny asany izay niompana tamin’ny « modélisation physique du climat de la terre » ity. Tamin’izany asa fikarohany izany no nanehoany ny valiny teo amin’ireo fanontaniana rehetra nisakasika ny fiovaovan’ny toetra’andro sy ny fomba rehetra entina hanatsarana izany. Izy arak’izany no Japonais faha 29 nahazo io Nobel io tao amin’ny lisitry ny nahazo mari-pankasitrahana.
