ActualitésTatitra

Nigeria : Mpanoratra nanana ny lazany i Chinua Achebe

Mpanoratra mainty hoditra anisany sangany i Albert Chinualumogu Achebe antsoina hoe Chinua Achebe. Teraka ny 16 novambra 1930 tao Ogidi, Nigeria izy ary maty ny 21 martsa 2013 tao Boston. Mpanoratra ary poeta i Chinua Achebe, ny tantara « Things Fall Apart » no niandohan’ny asa sorany.

Io tantara nivoaka tamin’ny taona 1958 no nosoratan’i Chinua Achebe voalohany ary asa sorany fototra miaraka amin’ny «No Longer at Ease » izany. Anisany mampiavaka ny asa soran’i poeta io n fandalinany ny fanjanahantany. Manome toerana ireo mahery fo afrikanina eo amin’ny sampan’ny tontolo roa : tontolo tandrefana sy i afrika miaraka amin’ny soatoavina nentim-paharazany kokoa ny asan’i Chinua Achebe. Isan’ireo mpanoratra malaza indrindra izy ary efa nahazo « prix Nobel de littérature » im-betsaka.

Laisser un commentaire