Centrafrique : Teratany sinoa sivy no maty tao Bambari
Nanao fanambarana ny ben’ny tanàn’i Bambari sy ny tompon’andraikitry ny filaminana tao an-toerana fa teratany sinoa sivy no maty tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray tao amin’ny faritra ny 19 martsa teo. Olona 2 kosa no naratra raha ny fanamafisan’ny ben’ny tanàna Abel Matchipata. Marihana fa i Bambari dia tanàna anjakan’ny ady an-trano.
Raha ny fantatra kosa dia olona niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray an’ny orinasa mpitrandraka Gold Coast Group ireo teratany vahiny hita faty ireo. Fanafihana no nahazo ireo olona namoy ny ainy ireo raha ny fanazavana saingy tsy nanome ny andinindinin’ny zava-nisy ireo manam-pahefana.
Nentina tao amin’ny hopitaly Amitié tao Bangui kosa ireo razana taorian’ny nahitana azy ary tonga nijery izany ny ambasadoran’i Chine tao an-toerana, Li Qinfeng sy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Sylvie Baipo Temon.
