ActualitésTsidika

Alasora : Fiangonana iray lasibatry ny asa ratsy

Fiangonana iray no lasibatry ny asa ratsy ny faran’ny herinandro lasa iny, tao Anganomasina, kaominina Alasora. Naparitak’ireo olon-dratsy, teo ivelan’ny fiangonana avokoa ireo fitaovana toa ny lamba maromaron’ny fiangonanana (ny aube, ny lamba fanaromana ireo fitaovana masina tao am-piangonana ary ny fitaovana fandraisam-peo.

“Tena nanao tsinotsinona loatra ireo fitaovam-piangonana ireo tsy matahotody. Efa tena tsy matahotra an’Andriamanitra intsony ny olona ka manao izay saim-patany amin’ny asa ratsy. Tsy mendrika ny zava-misy tahaka izao koa miandry lalàna manafay ireo nahavanon-doza” hoy I Erica, mponina ao Alasora.

“Tsy fahita metetika ny tahaka izao, ankoatra ny tsy fahandriam-pahalemana amin’ny halatra lakolosy sy ireo fitaovana samy hafa. Mitaky ny hanokafana ny fanadihadiana mahakasika izao satria tsy hay na sompatra na fitia te hanakorontana izao.” Hoy ireo tomponandraikitra.

Hatreto moa dia mbola tsy fantatra mazava ny vokatr’ity tranga niseho ity na teo amin’ny lafin’ny fitaovana very sy tsy hita na ny antony nahatonga ny loza. Mila mailo hatrany amin’izao fotoana izao fa tsy mifidy intsony ny toerana sy ny fotoana hisehoan’ny asa ratsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire