Lalana Ramena : Misy mangalatra sahady ireo jiro
Tao aorian’ny nahavitan’ny lalana Ramena dia tsikaritra ho misy mangalatra sahady ny jiro manazava ny lalana, ary efa mihena izany ka mihamaizina sahady ny lalana.
Tsy manaitra na mahagaga ny tranga toy izao satria mitovy tsy misy valaka amin’ny zava-nisy teny amin’ireny lalana namboarina efa taloha ireny, toy ny teny amin’ny lalana eto Antananarivo mampitohy an’Anosizato sy Ampitatafika, ireny jiro mamndeha amin’ny herin’ny masoandro ireny no angalarin’ny olona, hatramin’ilay « panneau », ka izao indray ity tratran’ireo ny jiro ao Ramena.
« Tsy tratra fa manao latsak’alina ireo mpangalatra, efa tsy mifidy izay halaina intsony ka hany ka hatramin’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny lalana avy no angalarina, tsy ananan’izy ireo antra hoe mba foto-drafitr’asa vaovao fa dia ataon’ny lasibatra daholo, ka miantso ny fitondrana mahefa mba hanara-maso ny tranga toy izao » hoy i Charles, mponina ao antoerana.
“Tokony mandray fe-petra goavana ny fanjakàna ka saziana ireo mpangalatra, midika izao fa ny mponina ao an-toerana ihany no mahavita mangalatra ireo foto-drafitr’asa, tsy ampy arak’izany ny fanetanana azy ireo hiarpo sy hanaja ny foto-drafitr’asa vita ka ilaina ny fanamafisana izany » hoy kosa i Gerard mpampiasa ny lalana.
Nilaza ny tompon’andraikitra ao an-toerana fa « efa natao ny fanaraha-maso ary efa hita fa ny jiro eo anelanelan’ny Ankorikihely sy Ramena no tena lasibatr’ireo mpangalatra, efa manomboka miditra an-tsehatra amin’ny fanaraha-maso ny manam-pahefana ary homena ny sazy sahaza azy ireo izay tsy manara-dalàna ».
Nilaza kosa ny tompon’andraikitra tekinika ao amin’ny Jirama fa « efa hita fa angalarin’ny olona foana ireny jiro mandeha amin’ny herin’ ny masoandro ireny, ny fanaraha-maso koa tsy ampy ka zary lasa manjaka ny tsy fandriam-pahalemana, efa an-taonany maro no nisian’ny jiro eny amin’ireny andrin-jiron’ny Jirama ireny fa tsy mbola nisy sahy nangalatra satria na ny herinaratra fotsiny aza dia efa mampatahotra ny olona ».
Manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara ka manomboka amin’ny zavatra faran’ny madinika mihitsy izany. Tsy ny jiolahy mpanafika ihany fa na ny jiro eny amin’ny lalana koa aza misy mangalatra, ny fanamafisana ny sazy no tokony atao henjakenjana ary ampitomboana koa ny fanaraha-maso.
Lovasoa Tojonirina
