ActualitésTsidika

Azo trandrahana ny volobe na ny « bambou »

Nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny Fikambanana Valiha Diffusion. Mila ampiroboroboana manko ny seha-pihariana volobe na ny « bambou » eto Madagasikara noho izy manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tontolo iainana.

« Tanjona ny hampiroborobo ny seha-pihariana volobe amin’ny faritra 14 dia i Boeny, Sofia, Vakinankaratra, Atsinanana, Analanjirofo, Itasy, Bongolava, Vatovavy, Fitovinany, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Alaotra Mangoro ary Menabe » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana. « Ny famokarana hazo atao kitay sy arina fandrehitra, ny fanarenana ireo tanety efa miha simba, ny famadihana ny volobe ho lasa fanaka, taozavatra na ampiasaina amin’ny taotrano no ifotoran’ity tetikasa ity » hoy kosa ny avy ao amin’ny fikambanana Valiha Diffusion. « Mandringana sy mampihena ny isan’ny hazo ny fampiasana ny volobe » hoy i Macro, mponina ao Miarinarivo.

Mila omena lanja tokoa ny fikarohana tahaka izao hanafoanana ny fandripahana ny ala. Manana anjara toerana lehibe tokoa mantsy ny hazo noho izy miaro ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire