ActualitésTatitra

France : Bernard Arnault, mitana ny laharana voalohan’ny olona manan-karena indrindra eran-tany

Raha ny filaharana nnavoakan’ny gazety marolafy Forbes tamin’ity taona 2023 ity dia mbola mitana ny laharana voalohany ny olona manan-karena indrindra eran-tany i Bernard Arnault. Lehiben’orinasa ity lehilahy 74 taona ity izay manana harena mitentina 237 miliara dollars na 1 042 905 228 000 000 Ariary raha 800 000 000 000 000 Ariary izany tamin’ny taon-dasa.

Tompon’ny orinasa LVMH (Louis Vuitton) izay mamokatra ny marika Louis Vuitton, Dior, Givenchy, Fendi … i Bernard Arnault. I Elon Musk kosa no manarakaraka azy, arahin’i Jeff Bezos, Larry Ellison ary Warren Buffet. Eo amin’ny faharana faha-6 kosa no misy an’i Bill Gates.

Laisser un commentaire