ActualitésTatitra

Egypte : Nividy fiaramanidina 30 tany France

Nanamafy i Egypte androany talata 4 may fa hividy ireny fiaramanidina fitondra miady, « Rafale »  miisa 30 any France. Hindramam-bola mandritra ny folo taona ny fifidianana izany hoy ny filazana avy amin’ny Tafika ejiptianina izay mitentina 3 950 tapitrisa Euro. Ity varotra ity no isan’ny manamafy ny fanondranana fiaramanidin’ny tafika Frantsay ho mahomby izay nafaran’i Egypte raha fiaramanidina 36 ny an’i Qatar, raha 36 ny an’i Inde. Raha atambatra izany dia nahatratra 7 700 tapitrisa Euro ny fanafarana fitaovam-piadiana nataon’i Egypte teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2019 ka nahatonga azy ho mpanjifan’i France fahaefatra raha amin’ny resaka fitaovam-piadiana.

Laisser un commentaire