France : Vehivavy iray namela 40 000 euros ho an’ny tanànany
Namoy ny ainy teo amin’ny faha-97 taonany ny volana novambra 2021 teo tao amin’ny tanàna kely ny Plans i Henriette Fieu antsoina hoe Nini. Rehefa nilamina avokoa ny resaka fandovana navelany dia fantatra heritaona taty aoriana fa namela vola 40 000 euros (187 tapitrisa Ar) ho an’ny tanànany izy.
Nanazavan’ny ben’ny tanàna tao an-toerana, Daniel Fabre fa hatokana ho an’ny mponina ny ampahan’io vola io ary hananohanana ny tetikasan’ny kaominina ny ambiny. Tokantrano 159 isa no efa nisitraka io vola navelan’i Henriette Fieu io. Naharay 100 Euros avy izy ireo hiantsenana ao amin’ny tranom-barotra lehibe ao Lodève.
