ActualitésTsidika

Miroso miandalana ny fandaminana ny tetik’asa Tanamasoandro

Vinavinaina ho vita amin’ny faran’ity taona 2021 ity ny tetik’asa tanàna vaovao Tanamasoandro izay nahorina any Imerintsiatosika, manodidina ny 320 ny trano no ho tafantsangana. Araka ny efa fantatra nandritra ny fanombohan’ ny asa fa azo hofaina mandra-paha voahefan’ny vidiny manontolo ireo fonenana sosialy.

Fonenana natao hifanaraka amin’ny fahefan’ny sarambabem-bahoaka no hapetraka. Miisa 50 000 izany, raha ny voafaritra ao anaty politika ankapoben’ny fanjakana. Omena ireo tokantrano mahafeno ny fepetra ireo fonenana, ka rehefa feno ny 15 taona ipetrahany ao dia lasany tanteraka ny fonenana. Miendrika « vente-location » ity tolotra ity, izany hoe mandoa hofan-trano amin’ny fotoana voafaritra ny olona iray ka lasa azy manokana ny trano rehefa tapitra ny fe-potoana nifanarahan’ny roa tonta. « Antenainay fa hitondra fampandrosoana ny tanàna misy anay ny fisian’izao fotodrafitr’asa goavana izao, mankasitraka tanteraka ireo izay nisafidy an’Imerintsitosika hanorenana ny tanàna vaovao » hoy i Soa, mponina any an-toerana. « 20% amin’ity tany nananganan’ny fanjakana fotodrafitr’asa ity dia an’olon-tsotra. Nifanaraka tamin’ny mponina noho izany ny fanjakana fa hanefa ny vidin’ny tany saingy mbola tsy voaray izany hatram’izao, ny asa nefa etsy andaniny efa mandroso dia mandroso » hoy i Rakoto, tompon’ny tany.

« Iray hetsy ariary isam-bola ny hofan-trano alohan’ireo olona mipetraka ao amin’ny fonenana sosialy, mandritra ny dimy amby folo taona no hanefany izany vola izany isam-ola koa rehefa tapitra izay dia azy tanteraka ny trano » hoy i Gérard Andriamanohisoa, sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao. « Mila fifanarahana mialoha amin’ny tompon’ny tany sy fanjakana ny hahafahana managana fotodrafitr’asa iray, tsy azon’ny fanjakana atao ny mibodo avy hatrany ny tany izany fananan’olo-tokana, misy lalàna mifehy azy ny fananan-tany » hoy i Naivo, mpahay lalàna. Anisan’ny mitarika ady hevitra lehibe indrindra tamin’ny mponina voakasiky ny fanamboarana ity tetikasa Tanamasoandro ity teny am-piadohana. Fampandrosoana ny firenena no andraindraina saingy ny mponina izay mpandray anjara fototra amin’izany ataon’ireo mpitarika tsinontsinona. Tsy nataon’ny fanjakana sakana amin’ny firosoana hantanteraka ny asa anefa izany fizarazaran-kevitra nisy izany, midika izany fa tsy mihaino ny vahoakany ny fitondrana fa miroso hatrany amin’ny vinavinan’asany na dia eo aza ny tsy fankatoavana misy. Azo everina ve ny mbola hivoaran’ny firenena manoloana izao hevitra tsy mitovy izao ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire