Antsohihy : Tafiakatra 1 056 ireo olona vaovao nisoratra tao amin’ny lisim-pifidianana
Efa nikatona vonjimaika ny fanavaozana ny lisi-pifidianana tao Antsohihy. Manana 20 andro kosa ny isam-pokontany hanamarinana izany lisitra izany.
« Averina any amin’ny fokontany ireo lisi-pifidianana. Manana 20 andro aorian’ny fahazahoana izany ny isam-pokontany afahana manamarina ny anarana sy ny mombamomba ny tena ao anaty lisi-pifidianana na izay mety lesoka. Ny 15 may kosa no hanakatonana izany amin’ny fomba ofisialy » hoy ny tompon’andraikitra. « Noesorina ireo voamarina fa nifindra toerana na nodimandry, ka mahatratra 1058 izany . 1056 kosa ireo olom-baovao nisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana tamin’ity taona 2022 ity . 65 557 no isan’ny rehetra voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana manerana ny Distrikan’Antsohihy raha atambatra » hoy ny sampan-draharaham-pifidianana ao amin’ny Distrika Antsohihy.
Natrehin’ny mpanao politika sy firaisamonim-pirenena ary ny mpanao gazety izany fanisana ny mpifidy izany.
Nicole Rafalimananjara
