Mahajanga : Iray volan’ny Poezia
Betsaka ny hetsika entina hanamarihana ny iray volan’ny poezia eto amin’ny firenena toy ny velankevitra sy ny fiantsana tonokalo ary ny fifanakalozan-kevitra. Notanterahina tany Mahanjnga ny fiakarana an-tsehatra « Ny pôety sy ny alahelony » omaly.
« Seho maro no nentina nanamarihana ny hetsika teto Mahajanga. Tao ny antsan-tonokalo sy ny fanaovana ny poezia maoderina na ny slam, ny fandraisam-bahiny » hoy ny avy ao amin’ny Tranombokin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina « Akôry Haly » Mahajanga. « Voninahitra lehibe ho ahy ny nivahiny tamin’ity hetsika ho entina hanandratana avo ny poezia Malagasy ity. Mila velomina ny teny indrindra ny literatiora sy ireo haisoratra Malagasy » hoy i Rnt Mpikalo, izay sady Poeta no mpanoratra.
Mitohy hatrany ny fanandratana ny teny sy haisoratra malagasy ho an’ireto tanoran’i Mahajanga ireto. Ny volana Martsa rahateo no volana natokana ho an’ny Poezia.
Nicole Rafalimananjara
