France : Olona telo no hita faty tao an-tranony
Mpivady 50 sy 62 taona ary ny zanany vavy 25 taona no hita faty tao an-tranony ao Saint-Jacques-de-la-Lande, Ille-et-Vilaine. Ny 23 novambra teo no niseho ny tranga ary ny mpampiasa ilay tovovavy no nampandre ny manam-pahefana rehefa tsy tonga nias aizy.
Rehefa tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra dia ny vata-mangatsiakan’izy telo mianaka ireo no novantaniny. Nanazava ny mpampanoa lalàn’i Rennes arakin’ny tatitra nataon’ny manam-pahefana taminy fa hita faty teo ambony fandriana ilay renim-pianakaviana, tao an’efitranao teo amin’ny tany kosa no nahitana ilay tovovavy raha niantona ilay raim-pianakaviana.
Heverin’ireo tompon’andraikitra fa famonoan-tena io tranga tao Saint-Jacques-de-la-Lande ary efa manadiady izy ireo.
