Famokarana : Miroborobo hatrany ny sehatr’asa voalohany sy faharoa
Na dia teo aza ireny olana nosedrain’ny seha-pihariana maro samihafa ireny dia miroborobo ihany ny asan’izy ireo. Anisan’ny nandalovana mafy indrindra ny fandalovan’ny rivo-doza roa mahery vaika tamin’ity taona ity. Teo ihany koa anefa ireo olana sedraina avy sehatra iraisam-pirenena toy ireny ady tao Ukraine ireny.
« Hiakatra 10% noho ny teo aloha ny vokatra amin’io taona 2023 izao raha ny fahitana izao firoboroboan’ny asa eny anivon’ny tantsaha izao. Mitombo ny fampiofanana ho an’ireo mpamboly. Ampiana ihany koa ny traik’efa ho azy ireo. Havaozina sy hampandrosoana ny sehatry ny jono. Izany no asa natao mba hahafahana manatratra izany tanjona izany. Tokony hiakatra 3,8% ny tahan’ny firoboroboan’ny sehatr’asa voalohany ny taona 2023”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny toe-karena.
“Raha ny mahakasika ny sehatr’asa faharoa kosa dia mahavelombolo satria tsy nijanona niroso izy ireo na dia teo aza ny olana iraisam-pirenena izay nampikatso ny asa indraindray. Nanano sarotra ny fanondrana ireo vato sarobidy, ny fanafarana entana isan-karazany niha lafo. Teo anatrehan’izany anefa dia nahitana fiakarany 10.9% izany ho amin’io taona 2023 io », hoy kosa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany.
Na misy aza ny olana sedraina tsy natao hampijanona ny asa sy ny sehatra misy ny tsirairay izany. Tsara foana ny mitady vahaolana amin’ireny olana ireny. Manome fahazotoana sy mampiakatra hatrany ny mahita vokatra tsara tahaka izao? Ny olona rehetra mety samy mandala olana saingy natao ho hery lehibe hiorana izany.
Miora Raharisolo
