Actualités

Covid-19 : Miverina tsikelikely amin’ny arovava sy orona ny sekoly sasany

Dépêche 25 novembre, 12h, Ny faran’ny herinandro teo dia nahitana fiakarany indray ny tahan’ireo olona nararin’ny coronavirus teto Madagasikara. Efa nanakaiky ny isa 200 izany fitomboany izany. Mailo hatrany ireo sekoly sasany ka efa mametraka lalàna indray ny amin’ny tsy maintsy hitondrana ny arotava ho an’ny mpianatra tsy ankanavaka. Tsy ny sekoly irery anefa no tokony handray andraikitra fa ny olona rehetra satria ity aretina ity tena mbola misy ary mbola mahafaty foana. Anjaran’ny olona tsirairay ny miaro ny tenany sy ny an’ny hafa amin’ny aretina mahafaty tahaka itony.

Laisser un commentaire