ActualitésTatitra

Nigéria : Afaka ny mpitarika ny Chiite Ibrahim Zakzaky

Afaka madiodio tao amin’ny tribonalin’i Kaduna ao avaratrin’ny firenena ny 28 jolay teo i Ibrahim Zakzaky sy ny vadiny rehefa nigadra nanomboka ny taona 2015. Voaheloka namono miaramila iray tamina fihetsiketsehana nipoaka nandritra ny vavaka diabe izy mivady ireto. Fihetsiketsehana izay nahafaty olona 350. »Noafahan’ny fitsarana tamin’ny heloka niampangana azy rehetra i Ibrahim Zakzaky sy ny vadiny » hoy mpisolo vavany Sadau Garba. « Hitaka onitra sy tambiny amin’ny governemanta ao amin’ny fanjakan’i Kaduna izahay noho ny zava-tsarotra sy fijaliana mianjady tamin’io mpitarika io » hoy izy hatrany.

Laisser un commentaire