Russie : « Fasana fotsiny i Afrique », iza no niteny an’izany ?
Niparitaka tao amin’ny tamba-jotran-tserasera indray ilay lahateny noheverina fa namabaran’ny filohan’i Russie, Vladimir Poutine nanameloka an’i Afrique. »Fasana (cimetière) fotsiny i Afrique, rehefa manan-karena ny olona na ny mpandraharaha iray dia alefany ao Suisse ny volany sy ny volamenany, ao France izy no mitsabo tena, ao Allemagne izy no mandraharaha, ao Dubai izy no miantsena, vokatra avy ao Chine no ampiasainy, ao Rome izy na ao la Mecque no mivavaka, ao Europe na ao Canada ny zanany no ampianariny ary hakany zom-pirenena tandrefana, ao Etats-Unis na ao Europe izy no mizaha tany. Rehefa maty ihany izy vao miverina milevina an-tanindrazany ka atao ahoana no hampandrosoana fasana ? Mampalahelo izany, ampio hahatakatra sy hitariny ny lovany ny rahalahinao ».Efa tamin’ny martsa 2021 io lahateny niverina niparitaka io indray. Fantatra nefa fa tsy mbola niteny izany mihitsy io filohan’i Russie io rehefa nataon’ny PesaCheck ny fanadihadiana. Tsy nahitana na antontan-taratasy na horonantsary na tamba-jotra sosialy nahita azy niteny izany. Maro kosa nefa ireo mponin’i Afrique nanaiky ny fahamarinan’io teny io.
