Ukraine : Tafik’i Russie maro no manantona ny renivohitra
Miditra ao antin’ny andro fahafiton’ny krizy i Ukraine androany. Omaly 1 martsa dia nihananakaiky hatrany ny faritanin’i faritanin’i Ukraine ny tafik’i Russie. Mandroso nakao amin’ny renivohitra Kiev izy ireo ary nametra toby tamin’ny tànana sy vohitra sasany.Tafiditra tao Kherson ny tafik’i Russie ny talata teo. Marihina nefa fa efa nidaroka baomba ny tànana’i Okhtyrka izy ireo ny alatsinainy teo ka nahafaty miaramilan’i Ukraine niisa 70. Ahiana ho mafy ny akon’ny fanafihana raha tafiditra ny renivohitra ny tafika.Nanambara kosa ny mpitarika tchétchène Ramzan Kadyrov, mpiara miasa amin’ny filoha Russe fa namoy miaramila voalohany izy ny talata teo, miaramila tchétchène roa no maty ary enina naratra.Nilaza kosa ny masoivohin’ny firenena mikambana fa mponin’i Ukraine roa tapitrisa no efa nitsao-ponenana nihazo ireo firenena manodidina.
