ActualitésTsidika

Miantso ireo olona mazoto hanatanteraka ny foto-drafitr’asa ara-pahasalamana eto an-drenivohitra ny kaominin’Antananarivo

Mikasa ny hampitombo ireo toeram-pidiovana sy ireo trano fanasan-damba ny kaominina Antananarivo. Miantso ireo olona rehetra te hiara-hiasa aminy noho izany izy ireo mba hanatanteraka izany fotodrafitrasa izany. Namaritra mazava moa ny CUA (Commune urbaine Antananarivo) fa natao hampiroboroboana ny fidiran’ny mponina amin’ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana eo an-toerana izao.

Miheritreritra ny hanangana « WC Public » sy « Bassin Public » maromaro ny kaominina Antananarivo noho ny fahatsapana fa mbola tsy ampy izany na dia efa betsaka aza. Arak’izany, miantso ireo olona hirotsaka amin’izany fananganana fotodrafitrasa izany izy ireo. Ao ny fananganana toho-drano fanadiovana, ny lava-piringa afaka hahetsiketsika sy afindrafindra, ary ny trano fanasan-damba. Raha ny tokony ho izy mantsy, misy « WC Public » sy « Bassin Public » isaky ny tànana iray. Mba hahafahana manatanteraka izany aingana, hatramin’ny 29 Novambra ho avy izao no fe-potoana nomena ireo izay te-hirotsaka hanatanteraka izany fotodrafitrasa izany ka ahafahany mametraka ireo tolotra omeny. Marihina fa ireo izay ho voafantina hanatanteraka io fotodrafitrasa io dia ahazo tombony satria dia ho antsoina foana isaky ny misy hetsika fananganana toy izao.

« Tena mbola tsy ampy mihitsy ny toera-pivoahana eto amintsika, porofon’izany mbola misy hatrany ny filaharam-be rehefa hamonjy ireny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe ireny. Hita ihany koa hoe mitsinjo ny tanora Malagasy ny fanjakana satria manao antso ofisialy ireo izay mazoto hanao izany asa izany » hoy i Ravo, mpivarotra eny amin’ny tànan-dehibe. « Efa azo lazaina hoe tery ny toerana eto an-drenivohitra dia ampiana an’izany indray ve ? Hisompatra ny mba fitadiavam-bolan’ireo madinika efa sahirana indray izany ny kaominina ? » hoy kosa i Bary, mpivarotra eny amin’ny tànan-dehibe ihany.

Nanamafy kosa anefa ny kaominina Antananarivo momban’io drafitra fananganana io fa « ireo izay voafidy hanatanteraka io fotodrafitrasa io no ho tompon’andraikitra amin’ny fitantanana sy ny asa rehetra amin’izany ».

Betsaka ny fotodrafitrasa efa niorina ary betsaka ihany koa ny vao hatsangana tahak’itony, ka noho izany, mila hajaina izy ireny satria fananana iombonan’ny Malagasy rehetra. Tokony hahay hanaraka ny lamina apetraka ny tsirairay ary hinoana fa samy manan-tsaina daholo ka tsy hanao tsindrio fa lavo ny madinika na dia hanatanteraka fampandrosoana eto amin’ny firenena aza. Arak’izany, azo ambara ve fa manome tombony ho an’ireo tanora ny fanjakana isaky ny hanangana fotodrafitrasa tahak’itony noho ny fiantsoany ireo izay te hiara-hisalahy aminy amin’ny fanatanterahana izany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire