Avaradrano : Hisy zotram-pitaterana vaovao hiasa
Ho tohin’ny fivoriana tamin’ny 24 jolay teo dia nihaona tamin’ny ATT sy ny UCTS ny ben’ny tanana sy ny mpanolon-tsaina ny kaominina Avaradrano rehetra. Tapaka tamin’izany fa hisy zotra vaovao hiasa ato anatin’ny kaominina mba hanamafy ireo efa misy. Atao amin’ny alakamisy ho avy izao moa ny fijerena ifotony, ary aorian’izay ny fanombohana ny andrana.
« Tena mampijaly ny ataon’ireo zotra sasany satria manary an-dalana sy tsy miasa araka ny tokony ho izy izy ireo » hoy Liva mponina ao Ambohimangakely. « Tsara mihintsy ny hisian’ny zotra hafa tahak’izao mba hampisy ny fifaninana eny anivon’ny kaominina, ka izay tsy manaja ny asany ihany no tsaraina » hoy ny tompon’andraikitra. Sarotra ny mitady ankehitriny ary mijaly ireo mponina amin’ny saran-dàlana takiana araka ny tsy tokony ho izy ka rariny ny fisian’ny tambazotra hafa mba hisian’ny fivoarana sy ny fanarahan-dàlana eo amin’ireo zotra maro samihafa hoy i Ando, mpianatra mahakasika ny fiaraha-monina.
Mangataka moa ny mponina ny mba hisian’ny asa fanatsarana hatrany eny anivon’ny kaominina, ary mba haharitra ny tetik’asa tahak’izao.
Famenontsoa Rajerison
