Startup Weekend : Tsy ho sarotra intsony ny mitady mpiara-miasa
Isan’ny sakana tsy hahatontosana tetik’asa iray ny tsy fisian’ny mpiara-miasa. Io no mibahana ao an-tsain’ny ankamaroan’ny tanora satria sarotra vao mahita izany. Tsy sarotra ho an’ny tanora sasany anefa ny mitady izany kanefa mila ampiana ihany ireo hafa tsy mahita na eo aza izany.
Hanampy indrindra ireo tanora manana tetik’asa kanefa tsy mahita mpiara-miasa indrindra ny mpamatsy vola ny hetsika « Global Entrepreneurship Week Celebration Avaradrano 2021 » ny 8 hatramin’ny 14 novambra izao any Ambohimangakely. « Amiko tsy sarotra ny mitady mpiara-miasa raha malalaka ny fifandraisana kanefa io no mila teknika kely izay tena mahomby tokoa ka mila zaraina ho an’ny tanora » hoy i Ando, isan’ireo mpitan-tsoroka mandritra io GEW any Ambohimangakely io ary hanampy ny tanora ho avy mandritra ny hetsika. « Tetik’asa aloha misy fa ny fanantanterahana azy no sarotra ka izay indrindra no handraisako anjara mandritra io Startup any Ambohimangakely io mba ho entiko hanatanterahako ny nofinofiko satria hitako eto fa hanampy betsaka ahy izany » hoy ny mpandray anjara iray amin’ny Startup Weekend mandritra io GEW io ary efa nisoratra anarana.
« Vidiana lafo ny hevitra, ary vitsy ny mpandraharaha sahy mizara ny traikefany kanefa eto dia zaraina maimaim-poana izany ho an’ny mponina Avaradrano indrindra fa Ambohimangakely » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, izay isan’ny mpanohana ny hetsika GEW 2021 any Ambohimangakely. Marihina fa hetsika iray ao anatin’ny GEW ny Startup Weekend, izay hanampiana ireo tanora manana tetik’asa mba hotanteraka sy hotontosa ilay izy. Fanampiana no betsaka fa tsy sanatria fitadiavana tombontsoa akory.
Nicole Rafalimananjara
