Ambohivondava Alasora : Zava-dehibe ny fananana kopia
Nisy ny fizahana nataon’ny mpitsabo ho an’ireo zaza izay hanaovana kopia faobe tany Ambodivondava, kaominina Alasora. Zava-dehibe amin’ny kaominina tokoa ny hetsika fanaovana faobe ny kopia tahaka izay satria tsapa fa mbola betsaka ny zaza tsy manana kopia izay sakana tsy hisitrahan’izy ireo ny zony izany. Manaporofo izany ny ankamaroan’ny olona tonga nanao kopia ny zanany nandritra ny hetsika faobe.
« Manan-jo ny hanaovana kopia ny zaza iray mba hisitrahany ireo zo rehetra amin’ny maha zaza azy, mariky ny fahaveloamany rahateo izany ahafahan’ny fanjakana miaro azy » hoy i Seta, mpandinika mikasika ny zon’ny zaza. « Tena mitondra ny fampandrosoana tokoa ny hetsika fanaovana kopia faobe mba ahahafahan’ireo zaza misoratra ara-panjakana, ahafahany manao hetsika eto amin’ny firenena toy ny fianarana sy ny fitsaboana koa. Isaorana ireo tompon’andraikitra rehetra » hoy i Augustine, renim-pianakaviana monina ao Ambohivondava.
« Ezahina hotohizana hatrany ny hetsika tahaka izao ary isika indrindra aza ireo mpiara-maisa sy ny sefom-pokontany manerana ny kaominina eto Alasora, indrindra ny mpitsabo izay nahatontosa antsakany sy andavany ny fikarakarana » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanànan’Alasora.
Ny fananana kopia tokoa dia taratasy iray manamarina ny maha olom-pirenena hahafahan’ny zaza iray misitra ny zo feno indrindra ny zo fototry zaza.
Nicole Rafalimananjara
