SocialTsidika

Tokony hamafisina ny fanaraha-maso ireo taratatasin’ny vahiny eto amitsika.

Tsy vitsy ireo teratany vahiny miditra an-tsokosoko eto amin’ny firenena Malagasy. Manao ny fomba rehetra izy ireo hidirana eto amitsika. Maro amin’izy ireny no tonga eto mba hanatanteraka asa ratsy fotsiny sy hitrandraka an’i Madagasikara. Izany no antony tsy mahara-dalàna ny taratasin’izy ireo. Tsy mahagaga raha maro amin’izy ireny no tratran’ny mpitandro filaminana manao asa ratsy. Raha olona tonga hiasa sy honina eto mantsy, didian’ny lalàna Malagasy ny fahafenohan’ny taratasy hijanonana eto. Na eo aza anefa ny fanaraha-maso hataon’ny tompon’andraikitra amin’ny fanamarinana ireo antontan-taratasy, mbola misy ihany ireo vahiny sahy manao hosoka tonga eto amin’ny firenena. Anisan’izany ity tranga niseho tany Nosy be ity ny fiandohan’ny herinandro lasa teo, izay nahatratrarana mpandeha 3 izay tsy manara-dalàna akory ny taratasin’izy ireo. Mbola eo am-panadihadihana ny antony hidiran’izy ireto eto amin’ny firenena moa ny manam-pahefana ankehitriny. Tsikaritra mantsy tatoato ireo tranga maromaro ahitana vahiny voarohirohy amin’ny asa ratsy isan-karazany. Tokony hampiharina amin’ireo mpiditra an-tsokosoko ny lalàna sahaza azy ireo mba hisy hitandreman’ny tsirairay. Mahatonga azy hiverina amin’ny heloka efa nataony indray mantsy ny famotsorana azy ireny indray. Ny olana ihany koa zary lasa hanjakan’ny kolikoly ny firenena nohon’ny zavatra ataon’izy ireny. Ny firenena Malagasy koa etsy ankilany lasa paradisa ho an’ireo teratany vhiny mpanao heloka bevava.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire