Anjeva: Zazalahy 16 taona tratra nangalatra tamin’ny fety
Zazalahy 16 taona iray no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao amin’ny tokantrano iray tao Anjreva, ny alin’ny 26 jona. Nihanika tambohon’olona ary niditra tamin’ny varavarankely ity farany, ka ny mpiambina ny trano no nahatratra azy, niaraka tamin’ny entana sy sakafo efa voahangona, raha ny voalaza.
« Na dia nizotra am-pilaminana aza ny fankalazana ny fety teto an-toerana, dia misy hatrany ireo mpanararaotra. Tahaka’izany ity zazalahy ity, izay efa mpanao ny asa ratsy tahaka izao. Ny fahamailoan’ny tompona-trano, niantso mivantana ny mpitandro filaminana no nahafahana nisambotra azy » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Mila mailo foana amin’ny andro tahaka izao satria tsy ampoizina tokoa ireo olona mahavita asa ratsy. Efa tsy mifidy taona sy sokajy ny mpangalatra. Tsy hay moa na vokatry ny fahantrana na ny hakamoana na ny tsy fahampiana fanabeazana sy fitaizana no mahatonga izany » hoy i Tojo, mponina ao Anjeva.
Rehefa nanaovana fanadihadiana moa ity zazalahy ity dia niaiky ny heloka vitany, ary efa im-betsaka no mangalatra toa izao eny amin’ireo manodidina. Rehefa avy niakatra fitsarana moa ity farany dia nalefa notezaina eny amin’ny Akany Anosiala.
Manitra R.
