Tsidika

Zandarimarim-pirenena Malagasy : nahitam-bokatra ny hetsika Tselatra

 Ho famongorana ny asan-dahalo eto Madagasikara dia misy ny hetsika Tselatra izay nataon’ireo Zandary manerana an’i Madagasikara. Raha ny tatitra voaray dia  dahalo 98 no voasambotra, ary omby 1.256 isa tamin’ireo 1.640 nalain’izy ireo no voaverina tao anatin’ireo Faritra 5 nanaovana ny hetsika.

Nanambara ny teo anivon’ny zandarimaria fa mbola hitohy ny hetsika fa tsy hijanona hatreo ary mbola hiparitaka manerana ny Faritra maro izay  lasibatry ny asan-dahalo eto Madagasikara. “Tsy mora ny ady natao nahazoana namerina ireo fananam-bahoaka ireo kanefa tsy mitsanga-menatra eo anatrehan’ny vahoaka izahay fa hiady hatrany, ho an’ny vahoaka sy ny fananany.” Hoy ny Zandary.

Raha ny antotan’isa  voaray  dia maro lavitra noho ireo isan’omby voaverina ireo ny omby efa lasan’ny dahalo  saingy maneho fisaorana sy fankansitrahana  ny zandary kosa ireo mponina manaoloana ny zava-bitan’izy ireo. “Isaoranay ireo zandary maro be ireo izay nanao ho zava-dehibe ny fanananay vahoaka majinika, efa nafoy tokoa aza ireny omby ireny no izao tafaverina izao indray koa dia mankasitra ary mankahery hatrany amin’ny asa fanompoam-pirenena.” Hoy i  Aban’i Pa tompon’omby very.

Mamporisika hatrany ny vahoaka kosa ny zanadary mba tsy hisalasala ny amin’ny fampandrenesana sy fampahafantarana azy ireo rehefa misy tranga hafahafa na mahatsikaritra tranga mampiahiahy. “Isika miombona no andresena ny fahavalo” hoy hatrany ireto farany.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire