ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny fampianarana teny japoney maimaim-poana

Hisy ny fampianarana teny japoney maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney ao an-toerana, miara-miasa amin’ny kaominina no hanolotra ny fampianarana amin’izany.

« Hanomboka ny zoma 3 mai ny fampianarana ny teny japoney eto amin’ny kaominina. Natao ho an’ny tanora eto an-toerana, izay manomboka amin’ny 13 taona izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Isaky ny zoma no andro fianarana. Ary manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitranon’ny sekoly EPP Antanambao no mianatra. Tsy misy ny sarany aloha ao anatin’izany. Ny fitaovam-panoratana, ny penina sy ny kahie ary ny fahavononana kosa no tena ilaina » hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana fanararaotra ho an’ny tanora ny fampianarana maimaim-poana tahaka izao. Izany indrindra no hanentanana ny rehetra ho tonga satria efa maro no nahita tombotsoa tao anatin’izany.

Laisser un commentaire