Dépêches

Fampidirana am-ponja vonjimaika an’dramatoa Olga Ramalason

Rehefa avy nampanantsoina teny anivon’ny PAC 67ha. Naiditra am-ponja vonjimaika teny Antanimora omaly hariva i Olga Ramalason, Minisitry ny varotra tamin’ny tetezamita, izay efa senatera Tim sy kandidà solombavambahoaka amin’ny anaran’ny vovonana Firaisankina ao Antsirabe izy amin’izao fotoana izao.

Raharaha tany tamin’ny 2009, fony izy Ben’ny tanànan’nyKaominina Ambonivohitra Antsirabe no nofongarina nanomboka tamin’ny taon-dasa anenjehana azy, amin’ny vesatra « abus de fonction » sy « faux en écriture publique ».

Araka ny fantatra dia efa samy nodimandry ireo olona tandrifin’andraikitra tao amin’ny Kaominina amin’ity raharaha ity, ka izy no niandronan’ny rihitra, hoy ireo akaiky azy.

Laisser un commentaire