Taranja tolona: Nahazo medaly roa nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika i Madagasikara
Dépêche 24 mai, 12h, Namiratra indray ireo solontenan’ny Madagasikara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’ny Afrika tamin’ny taranja tolona. Medaly alimo roa no nentin’izy ireo nody nandritra izany lalao lehibe izany. Atileta telo be izao ihany koa no nahazo tapakila hiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena. Tamin’ny alalan’i Andrianandrasana Sarah, sokajy latsaky ny 73Kg (cadette) sy Randrianatoandro Jessy teo amin’ny tolona anaty torapasika (lutte de plage), latsaky ny 70kg (seniors) no nahazoana ireo medaly ireo. Tokony mbola niampy ireo medaly ireo raha ny fanazavan’ny Federasiona saingy noho ny olana ara-teknika sy ara-bola dia nisy ny tsy fahatomombanana. Efa eo am-panomanana ny lalaon’ny nosy ihany koa ny federasiona amin’izao fotoana izao.
