Ankazobe: Olona telo nilatsaham-potaka
25 oktobra; Olona miisa 3 no indray namoy ny ainy. Mpivady tao an-trano sy ankizy lahy iray niandry omby no nilatsaham-potaka tao amin’ny distrikan’Ankazobe, ny tolak’andron’ny farany erinandro teo. Tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany no nitrangan’izany.
