Fanatanjahantena: Lalao ara-pirahalahiana ho an’ny Makis lehilahy
Dépêche 09 décembre, 13h, Efa manomantena sahady ireto Makis XV lehilahy ireto amin’ny lalao mety ho avy rehetra ho amin’ny taona 2023. Ho fanatanterahana izany sahady dia hiatrika lalao ara-pirahalahiana amin’ny akipa avy any La Reunion ireto XV Makis lahilahy ireto ny alahady 11 desambra izao ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Mavesatra ho an’ireto mpilalao ireto ny taona 2023 noho ireo lalao isan-karazany izay tokony homanina. Ao anatin’izany ny lalaon’ny Nosy 2023, ny lalao Olimpika, ny fanomanana ny lalao iraisam-pirenena 2027 ary ny “World series”. Io taona 2023 io avokoa no fe-potoana hanomanana izany. Mila tohana avy amintsika mpankafy sy isika Malagasy rehetra ireto ekipam-pirenena ireto.
