ActualitésTsidika

Madagascar Airlines: Nahazo fiaramanidina “Embraer E190- E2” vaovao indray

Hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Orinasa Embraer ary Azzorra dia nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny telo tonta. Nahazo fiara-manidina vaovao arka izany ny Madagascar Airlines hanampiana sy hanatsarana ny tolotra.

“Mitondra fanavaozana eo amin’ity kaompaniam-pitaterana antsika Malagasy ity izany ary ahafahantsika manatevina ireo fiaramanidina ampiasaina. Mamelona ny hambompom-pirenena ihany koa izao dingana vita izao ary maneho fa vonona ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany sy ny fandraharahana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana  sy ny faritra Atsimon’i Afrika  i Madagasikara”, hoy ny lahatenin’ny Filoham-pirenena nandritra izany fifanaovan-tsonia izany.

“Anisan’ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany mihitsy ity fahatongavan’ity fiara-manidina ity, haverintsika ny lazan’ity kaompania ity ary hampiakarintsika ny tahan’ny mpizahatny ho tonga eto. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fisarihana sy fahatongavan’ireo vahiny, mpizaha tany sy mpampiasa vola eto io fiaramanidina vaovao io. Vahaolana lehibe efa natolotra izao ary tsara tohizana ho tsara hatrany”, hoy ity mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahantany iray ity.

Ankoatra ny fahazoana ity fiara-manidina vaovao ity dia nahazo mpitantana vaovao ihany koa ny Orinasa Madagascar Airlines dia i Thierry de Bailleul izany. Mahagaga ihany ny tsy fananan’ny Malagasy olona mety mahavita izany asa izany foana hatramin’izao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire