ActualitésTatitra

Etats-Unis : Natolotr’i Keanu Reeves ho an’ny fikarohana hiadiana amin’ny homamiadana avokoa ny 70% amin’ny vola azony tamin’ny « Matrix »

Mpilalao horonantsary avy any Canada sy Etats-Unis i Keanu Reeves. Nahazo vola an-tapitrisany maro avy amin’ny filalaovany ilay horonantsary « Matrix » ny tenany. Nanapa-kevitra ny hanolotra ny 70 isan-jaton’izany ho an’ny fikarohana hiadiana amin’ny homamiadana izay nahazo ny zandriny vavy nandritra ny valo taona izy.Nahazo 10 tapitrisa dollars i Keanu Reeves talohan’ny nivoahan’ny horonantsary ary mbola niampy 31,5 tapitrisa dollars izany rehefa niroborobo ny horonantsary. Efa an-taonany maro kosa i Keanu Reeves no namatsy vola io fikarohana io, saingy tsy nitonona anarana.

Laisser un commentaire