France : Efa andrasana ny kabarin’i Emmanuel Macron
Tokony handray fitenenana androany amin’ny 8 ora alina ny filoha frantsay alohan’ny handraisany ireo parlemantera ao amin’ny Elysée. Antenaina hanao fanambarana ny filohana noho ny fiverenan’ny krizy ara-pahasalamana ao amin’ny firenena.Tranga vaovao tokony heverin’i Emmanuel Macron sy ny governemanta indray ity araha ny fampitam-baovao rehefa niala ny fihiboana nandritra ny roa volana.Tsy hitohy indray io fanampahan-kevitra io rehefa nivoatra be tao an-toerana ny Delta variant, izay manjaka ankehitriny ary mifindra haingana mihoatra ny 40% ny teo alohany. « Ety am-piandohana zavatra toa ho lasa valan-aretina goavana isika » nanizingizina omaly tao amin’ny Radio J, ny Minisitry ny Fahasalamana, Olivier Véran. Tsy mbola mitombo ny vesatry ny hopitaly amin’izao fotoana izao, fa hiverina indray ny zava-nisy tamin’ny taona lasa” hoy izy hatrany.Tokony hanambara i Emmanuel Macron amin’ny alatsinainy hariva fa tsy maintsy atao vaksiny ny mpitsabo, izay efa adi-hevitra mandritra ny herinandro maromaro. Toy izany koa, ny fanitarana ny fizahana fahasalamana sy ny fitsapana PCR maimaim-poana. « Ny azo antoka dia miresaka lohahevitra roa lehibe ny filoha : ny fahasalamana sy ny toekarena », hoy ny iray tamin’ireo akaiky azy.
