Côte d’Ivoire : Nitsidika an’i Henri Konan Bédié, mpifaninana taminy, i Laurent Gbagbo
Toa naneho fampiavanana ny findraisan’i Henri Konan an’i Laurent Gbagbo ny sabotsy teo tao Daoukro, afovoan’i Côte d’Ivoire. Noraisiny am-pitiavana ity mpifaninana taminy teo aloha ity. Nifamihina teo imason’ny tafika sy mpitantana ny antokony an-jatony ireto filoham-panjakana teo aloha ireto. Nifampitantana, niara niroso nanofahofa tanana tamin’ny vahoaka ary niara nipetraka nandritra ny seho sy ny kabary izy roalahy.Rehefa nandray ny fitenenana nandritra ny 30 minitra teo i Laurent Gbagbo dia nanisy teny kely ny ny filoham-pirenena Alassane Ouattara, mbola voafidy tamin’ny taona 2020 teo indray ny tenany. « Afaka manapa-kevitra isika fa tsy manana lalàm-panorenana ary miaina toy izany. Fa raha manana lalàm-panorenana isika dia mila miady mba ho manaraka ny lalàm-panorenana. Hajao izany! » hoy izy. « Afaka mihaona amin’i Henri Konan Bédié ve i Laurent Gbagbo nefa tsy miresaka politika ? Reharehao ny fanaovana politika ! » hoy ihany i Laurent Gbagbo koa, narahana tehaka narefodrefotra.
