SportTatitra

Angleterre : Nandrombaka ny amboara Wimbledon fanineniny i Novak Djokovic

Nibata ny amboarany fahenina omaly lasa teo tamin’ny lalao Wimbledon nanoloana an’i Matteo Berrettini i Novak Djokovic, teo amin’ny taranja tennis. Ity no fifaninanana tafiditra ao anatin’ny « tournois du Grand Chelem » faha-20 azony. Nandresy an’i Matteo Berrettini tamin’ny 6-7, 6-4, 6-4, 6-3 izy nandrirtra ity lalao famaranana ity. 34 taona izao i Novak Djokovic izay efa nandrombaka ny amboara Wimbledon in-enina be izao izay tamin’ny 2011, 2014, 2015, 2018, 2019, 2021. Isan’ny mamiratra amin’ny taranja tennis ny tenany. Mitovy ny isan’ny « tournois du Grand Chelem » azony sy i Roger Federer ary Rafael Nadal. Efa nandresy in-tsivy tamin’ny Open d’Australie, in-droa tamin’ny Rolland-Garros, in-enina tamin’ny Wimbledon ary in-telo tamin’ny US Open izy.

Laisser un commentaire