SportTatitra

Italie : Tongasoa any Rome ireo maherifo nandresy ny Euro 2020

Tonga vao maraina be androany 12 jolay tany Rome Italie ireo ekipam-pirenena mpanao baolina kitra izay nibata ny fandresena tamin’ny Euro 2020 ny alahady lasa teo. I Roberto Mancini, mpanazatra, sy i Giorgio Chiellini, Kapiteny, no nidina voalohany tamin’ny fiaramanidina. Hafaliana sy kotaba ny tao Italie nandritra ny lalao alina izay nandresen’i Italie 3 noho ny 2 ny ekipam-pirenena Angleterre. Ary mbola hankalazaina mandritra ny andro maromaro mihitsy aza izao fandresena goavana izao. Mbola tohizana ny ezaka mandritra ny fiadiana ho tompon-daka maneran-tany amin’ny baolina kitra izay hotontosaina ny Qatar.

Laisser un commentaire