ActualitésTatitra

Grèce : Olona 2 maty nandritra ny fifampitifirana tao Corfou

Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy, olona roa no maty nandritra ny fifamitifirana izay niseho omaly nandritra ny fifampitifirana teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny ao amin’ilay nosy kely ao Corfou. “Efa mailo izahy tamin’ny nisian’ny feo-basy tamin’ny 11h30 teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny” hoy ny loharanom-baovao. Teo amin’ny toeram-piantsonana Dasia no niseho ity fifandonana ity. Efa manao fikarohana ireo polisy mba ahitana ilay mpitifitra araka ny vaovao avy amin’ireo haino aman-jery any an-toerana. Mpifankatia frantsay nipetraka tamin’ity nosy ity no anisany voatifitra tamin’ity. Araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, fifandirana no nitarika ny fifampitifirana teto.

Laisser un commentaire