Octobre Rose : Volana iray natao hanentanana ny olona hitily ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza
Hanatanteraka hetsika amin’ny tanàn-dehibe 4 eto Madagasikara dia i Mahajanga, Fianarantsoa, Sainte Marie, ary Antananarivo ny Fondation Akbaraly. Toy ny fanao isan-taona dia fanentanana ny vehivavy hitily ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza izany hatao izany ka nomena ny anarana hoe « Octobre Rose ».
Mandritra ity volana oktobra ity no hampahafantarana ny fomba fitiliana ny homamiadan’ny nono, izay amin’ny alalan’ny fitsapan’ny tena ny nono izany, ary hisy ihany koa ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza maimaim-poana mandritra ny hetsika.
« Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono no tena manjaka eto Madagasikara. Raha ny antontan’isa mahakasika ny homamiadan’ny nono aloha hatreto dia tsy mbola misy isa mazava fa 25% tamin’ireo nanao fitiliana no mitondra ilay aretina raha ny mahakasika ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza », hoy ny avy ao amin’ny Fondation Akbaraly. « Mandritra ity hetsika ity izao mety hoe maimaim-poana io fitiliana io fa tokony mandritra ny taona mihitsy ny toy izany satria maneso ihany raha ohatra hoe olona sahirana mitady vary ray kapoaka 800 ariary isan’andro no tenenina hanao fitiliana amin’ny vidiny lafo », hoy ny fangatahan’i Jessica, olon-tsotra.
Maro ireo vehivavy liana amin’ity hetsika ity satria samy mba te hahafantatra ny toe-pahasalamany. Ilaina tokoa ny fanentanana tahaka izao satria ho an’ireo izay voatily mialoha dia 9 amin’ny 10 amin’ireo marary dia afaka ny ho sitrana soa amn-tsara amin’izany aretina izany.
Miora Raharisolo
