ActualitésTatitra

Singapour : Firenena kely matanjaka

Tanàna manana ny fanjakany ao Asie atsimo atsinanana i Singapour. Misahana velaran-tany 724,2 km² izy, ary ivondronana nosy 63. Pulau Ujong no nosy fototra ao anatin’izany izay misahana velaran-tany 584,8 km² ary tena mandroso. Manana tahan’ny mponina isaky ny m² faharoa ambony indrindra eran-tany kosa izy, aorian’i Monaco, amin’ireo fanjakana mahaleo tena rehetra.

Firenena matanjaka i Singapour amin’izao fotoana, izay manana harin-karena faobe anisan’ny avo indrindra eran-tany, manodidina ny 73 000 USD eo ho eo izany, ary mametraka azy ho eo amin’ny toerana faharoa aorian’i Luxembourg raha ny tatitry ny FMI. Ao Singapour ihany koa no ahitana ny seranan-tsambo kaontenera faharoa lehibe indrindra aorian’i Shanghai izay manana fifanarahana ara-barotra malalaka manan-kery 27.                                                      

Izany fahalalahana izany dia ahafahan’i Singapour mampiroborobo malalaka ny lafiny indostrialiny izay nisahana ny 26% ny PIB ny taona 2021, ary ny lafiny ara-bola izay misahana ny 15% amin’ny PIB.

Laisser un commentaire