Ambohimanambola: Mbola misy ny fisoratana anarana amin’ny tournoi PES
Ho tanterahana rahampitso sabotsy 11 Martsa ny tournoi PSE izay atao ao amin’ny salle de jeux Rajass ao Ambohimanambola. Ity izay fifaninana amin’ny « jeux vidéo PS3 » afaka handraisan’ny rehetra anjara, Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo te handray anjara, raha ny voalaza.
» Mbola misokatra hatramin’ny rahampitso sabotsy ny fisoratrana anarana ho an’ireo liana na te handray anjara amin’ny tournoi PSE ity. Misy ny saram-pandraisana anjara ao anatin’izany izay amin’ny sarany 5000 ariary » hoy ireo mpikarakara ny fifaninanana.
» Tsy mbola betsaka ny mpikarakara fifaninanana amin’ny sehatra tahaka izao. Ka dia omena sehatra ireo mpankafy ny jeux vidéo rehetra. Efa vonona avokoa ireo fitaovana amin’ny fifaninana ka manantena ireo mpilalao ho tonga maro » hoy hatrany ireo mpikarakara.
Hanomboka amin’ny 9ora maraina, rahampitso moa ity fifaninanana ity ary lela-vola mitentina 50 000ar no loka azon’ny mpandresy amin’izany. Marihina moa fa afaka mitondra manette izay efa manana.
Manitra R.
