Mayotte : Niakatra ny taham-pampianarana ireo tovovavy
Nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny 8 martsa teo dia namoaka antontan’isa samihafa manoloana ny toe-java-misy mahakasika ny vehivavy ao Mayotte ny Insee (Institut national de la statistique et des études économiques).
Teboka iray isany miabo indrindra tao amin’io tatitra io ny fiakaran’ny fampidirana an-tsekoly ireo tovovavy ao amin’ny nosy. Fantatra nandritra izany ihany koa fa ny tovovavy no manana taham-pahafaham-panadinana ambony noho ny lehilahy ao an-toerana. Nanamafy ny Insee fa ny vehivavy no maro an’isa ao amin’ny oniversiten’i Mayotte ary misikitra bebe kokoa ny « Passeport mobilité-études » ahafahana mianatra any ivelany.
Mbola lesoka kosa nefa ny tsy fahampian’ny asa ho an’ny vehivavy. Tamin’ny taona 2019 dia 27% ny vehivavy efa tokony hiasa ihany no nisitraka izany tao amin’ny departemanta faha-101.
