Dépêches

Toliara: Efa manomboka ny asa fanamboarana ny tambohon’ny fonja

Dépêche 10 mars, 13h, Efa nanomboka omaly ny asa fanamboarana ny tambohon’ny fonja ao Bazary Be izay rava noho ny rivo-doza farany teo. Asa mila hatao haingana sy vitaina vetivety izy ity satria mijaly ireo voafonja tsy afaka mivoaka. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy ireo voafonja tafatsoaka na ninia hitsoaka na dia eo aza izany olana izany. Tonga nametraka ny vato fototra ny delegasionina notarihin’ny Praiministra, Ntsay Christian hahafahana manomboka ny asa fanarenana izay simba rehetra. Hatao manaraka ny fenitra amin’ny fahalemana ity asa fanarenana ity.

Laisser un commentaire