ITG : Tsy nohekena
03 Jona, 13h00. Notsipahin’ny « conférence des Présidents » tety anivon’ny Antenimierampirenena omaly ny fampidirana ny tolo-dalàna mahakasika ny ITG na ny « Interruption Thérapeutique de Grossesse » nohon’ny izy tsy mifanaraka amin’ny kolotsaina sy soatoavina malagasy. Nanambara ny governemanta tao anatin’ny fanamarihina izay nataon’izy ireo momba io tolo-dalàna io fa misy lesoka betsaka ao anatiny ary anisan’izany ny hoe mifanohitra amin’ny Lalam-panorenana.
