ActualitésTsidika

Fomba Malagasy : Inona moa ny alin-dratsy ?

Ny alina mialoha ny fankalazana ny taom-baovao malagasy no antsoina hoe « Alin-dratsy ». Amin’io alina io, dia tsy maintsy miverina mody sy matory any amin’ny vadiny ny vehivavy izay nisara-panambadiana, nantsoina hoe « Vavimisintaka » teo amin’ny Malagasy. Tsy maintsy mamonjy ny Fandroana miaraka amin’ilay tena vadiny io vehivavy io. Raha ny famaritan’i Rajemisa  dia alin’ny andro voalohany amin’ny Fandroana izay hodian’ny vady misintaka ao an-tokantrano indray ny alin-dratsy.

Laisser un commentaire