Italie : Jules César, amperora nanamarika ny tantara
I Jules César dia teraka ny 12 na 13 jolay -100 tao Rome ary maty ny 15 martsa -44 tao amin’io toerana io ihany. Jeneraly, olom-panjakana ary mpanoratra romana ny tenany. Tsy manam-paharoa ny tantarany tao anatin’ny taonjato faran’ny Repoblikan’i Roma izay nomarihin’ny fifanolanana ara-tsosialy sy ny ady an-trano ka nanamarika ny tantaran’i Rome sy ny tantaran’izao tontolo izao.
Olona mitsinjo lavitra i Jules César, be fitetika sy be paikady ihany koa ka nahavita nanitatra ny sisin-tanin’i Rome hatrany Rhin sy ny ranomsaimbe Atlantique tamin’ny lalan’ny fandresena ny Gaule. Nampiasa ny tafikany izy nanatanterahana izany ary nampiasa ny legionany naka ny fahefana nandritra ny ady sivily nifanoherany tamin’i Pompée izay mpiara-dia taminy taloha sy ny repoblikana.
Ankoatra ny naha mpiantafika azy dia tena tia litera, fitsipi-pitenenana, kabary ary tononkalo i César. Ny ankamaroan’ny sanganasany nefa dia very avokoa.
